TAONA ZINA (Fredy Jaofera)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAONA ZINA




Taona zina
hamokaran’ny soa
sy ny tsara
no irariana
mba hanova tokoa
‘zato anjara !




Taona zina
hipoiran’ny saotra
aok’izany
ka hifaliana
fa indro hampivoatra
eny ihany.




Taona zina
hiakaran’ny mety
sy tetika
ka hihobiana
sy hanaovana fety
matetika.




Taona zina
hahombiazan’ny asa
‘zay miandry
ka hitakiana
fa tsy hoe kasakasa
ny sandry.






Fredy JAOFERA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/taon-jina
Sokajy : Fety - Fifaliana
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/01/2010 08:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2219