TSY TIAKO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
TSY TIAKO
Tsy tiako ny tsy hahita
azy iny rehefa manina
fa tonga tsy mahavita
'reo asa izay sahanina.
Tsy tiako ny tsy hahazo
vaovao andrasan-dava
rehefa ory tsy mivazo
'ty fotoana tsy misava.
Tsy tiako ny tsy handre
ny momba azy rehetra
rehefa tsy afa-manome
fitoniana izay mitoetra.
Tsy tiako ny tsy hitady
'reo sarinay tsy foiko
rehefa inty mianjady
ny alahelo sy toloko.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, Fampaherezana, fananarana, fiainana, Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/09/2021
Mpamangy : 219
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NY VORO-MISERANANY TOKY
NY FEONY
VAO MISY MANONTANY
MAMAKY
RAHA TSY...
MPAMAFA TAVA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA