VITAKO NY NANADINO - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
VITAKO NY NANADINO
Vitako ny nanadino
rehefa ela ny ela,
na dia tsy mampino
ny sento tavela.
Vitako ny nanadino
rehefa tsy fidiny,
ny lasa, ampangino,
na misy vidiny.
Vitako ny nanadino
rehefa noterena,
ny ampitso, banjino,
tsy ho tangena.
Vitako ny nanadino
rehefa niainana,
ny safidy, alamino,
tsy hitarainana.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fiononana, Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/09/2022
Mpamangy : 199
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MAFY TORIMASOMIANARA
OMEO
AM-PITIAVANA
REHEFA TSARA IANAO
INDRAY LOHATAONA
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA
HIPOITRA NY KINTANA
SAINA AMBANY
HABOBO