TIA AHO... (Fy Tia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako izy satria...

Tarehy mahafatifaty,
ny bika koa tsy ratsy,
ny fitafy soa mirindra,
milanto ny famindra,
ny volo tsara raotra,
ka tena kanto loatra.

...Fitiavana ve izany?
Tsia, toa ivelany ihany.

Tiako izy satria...

Ny tsikiny mambabo,
ny fiteny koa mandambo,
ny fihetsika malefaka,
tsotra ny firesaka,
maontina fiaina,
maha-te-hiara-miaina.

...Fitiavana ve izany?
Tsia, fa ivelany ihany.

Tiako izy satria...

Ny fahaizana ambony,
irony be baoritra irony,
ny anton'asa tena matotra,
toetra tena azo antoka.
Olo-mihaja raha tsorina,
eo anivom-piaraha-monina.

...Fitiavana ve izany?
Tsia, mbola ivelany ihany.

Fa ny hoe tena tia:
dia 'lay tsy misy hoe "satria",
tsy mijery izay ivelany
na ny vola sy harenany,
tsy ny endrika amam-bika,
na toetra misariaka,...

Fa ny Fo no mahatsapa
ary tena latsam-paka,
izy ihany no mahalala
ilay silany malala,
ka na ratsy io na tsara,
dia tsy misy maharara,
ny momba azy rehetra
tiany tsisy fepetra.

Raha te-ho tia tokoa:
dia henoy "ny fidoboky ny Fo"

Fy tia
10/11/2020
Tamin'ny 12 ora
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
963 2
Mpakafy: Ndaox - Mamenosoa
Hevitra mandeha
Mamenosoa ( 20/02/2021 17:43)
Tena ankafiziko sady tena marina misaotra ny mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fy Tia
Nampiditra : Fytia1972
Daty : 10/11/2020 13:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154