ra fifidianana (Gérard RANAIVOZANANY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RA FIFIDIANANA

Ho avy indray rafifidianana
Ireo mpitondra firenena
Haresaka tokoa ny lalana
Tsy vitsy ireo nanolo-tena

Hampidera ny fananany
Sy ireo kobaka ho ekena
Ary ireo lainga eo antanany
Mba hitondrana firenena

Toa maromaro izy ao
No hitady seza iray
Ka hankininy aminao
Ny fiadanany rahatrizay

Raha vao mahazo fitenenana
Amin’ny fampihelezan-kevitra
Jereo anie fa mientanentana
Toy ny tsy kasihan-dalitra

Ao ireo mody mba mivavaka
Mampiseho hoe tena ngeza
Nefa fanampenan-davaka
Izay ilay vokatry ny seza

Ao ireo izay sahy milaza
Fa mahavita ny tsy ampoizina
Avy eo anefa tsy sahaza
Ianao indray no omeny poizina


Azony ary izay nilainy
Afaka ilay hidihidy
Ka ny zavatra ao an-tsainy
Veloma hatreo ‘nareo nifidy

Sao mihevitra izy ireo
Fa dondrona ny malagasy
Ka vidina ; dia avy eo
Hatsipy toy ny taratasy

Mafy aina ve isika
Sa efa zatra famoretana
Ndeha hanao toy ny vitsika
Ka hasio fieritreretana

Iza re no nahatonga
Ny firenena iray nahantra?
Mpitondra ;sa ireo kilonga
Naforita tsy nisy hantra?

Ho anareo manolo-tena
Hitady seza fiandrianana
Havoty re ny firenena
Sy ireo vahoaka mila tanana

Mandehana amin’ny marina
Tanterao izay nolazaina
Amin’izay dia ho tafarina
I GASIKARA nolalaina

Gérard RANAIVOZANANY
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
2004 0
Hevitra mandeha
lika ( 23/08/2006 12:09)
ry Malagasy sy i Madagasikarako ; aza mety lalaovin'ireo mpanao pôlitika ireo isika fa sao dia potika eo
lika ( 23/08/2006 12:09)
ry Malagasy sy i Madagasikarako ; aza mety lalaovin'ireo mpanao pôlitika ireo isika fa sao dia potika eo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gérard RANAIVOZANANY
Nampiditra : lika
Daty : 23/08/2006 11:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126