Anaro ny fo (Germain RAJAONA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaro ny fo tsy ho be haitraitra,
Tsy ho sendaotran'ny zava-manaitra,
Fa maro ny ratsy no mody ho soa,
Ka maka ny endrika kanto tokoa.

Ny karazan'ankosotra maro dia maro,
Kanefa diniho no sady fantaro,
Tsy diso tsy akory ny vava miteny,
Fa ts'hisy maharitra anie izy ireny !

Ny firaka mantsy dia toa volafotsy,
Ka be no sondriana fa voarotsirotsy,
Ny revo amin'iny tsy vitsy tsy akory,
Raha mbola tsy tonga ny andro mahory !

Ireto varahina tsara jerena,
Fa maka ny endriky ny volamena,
Ny sain-tsy mitombina babony mora,
Kanjo tsy ela dia indry fa voakora.

Fantaro sakaiza fa misy eto an-tany,
Endrika ivelany, ankosotra ihany,
Ka dieny tanora anaro ny fo
Hifidy ny tsara sy ny tsy mora lo !

Aza mba be herikerika foana,
Mahaiza mitazana ny eo anoloana ;
Raha mila ho renoka varivariana,
Anaro ny fo, aza avela ho sondriana.

Tsarovy fa eto no fivahiniana,
Fonena-mandalo fa ary no fodiana,
Koa dieny finaritra tsisy mahory,
Anaro ny fo tsy ho rendrika akory !

Anaro ny fo tsy ho be rehareha,
Mahaiza mijoro, mahaiza mandeha ;
Tandremo ny fomba izay enti-miaina,
Sao dia tsy mendrika ry sombin'aina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3098 2
Mpakafy: Eliasy - booboo
Hevitra mandeha
nattiekeli ( 02/03/2010 13:48)
tsara be ty tonokalo ty zany, misaotra an'lé nampiditra fa indrindra ilay mpanoratra fa tena mampisaina, sady mahafinaritra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Germain RAJAONA
Nampiditra : rfanjav
Daty : 10/10/2003 07:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142