AOKA IHANY e... (gervais RANAIVOSON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fiara tsara be
Hitondra loza, handatrak'aina
Dia aoka ihany izaho tsy andeha
Mba ho tratry ilay maraina.

Raha hanim-py izay nigagana
Tsy hody hery, ho very foana
Dia aoka ihany izaho tsy hoasana
...Fa sarobidy ny fotoana.

Raha ianao izay notiaviko
No fahavalo hamongotr'aina
Dia aza tsiny! aoka ho laviko
...Takosin-drahona taraina.

K'aoka ihany tsy hitohy
Izay kinasa novisaina,
Tsy mahasoa k'aleo afoy
Sao hery very maina.

Aoka ihany ho amin'izao
Na lalim-paka efa hohatoy
Raha ny amiko sy ianao
Dia aleo ny anjara no hivoy.

Aoka ihany ho nofinofy
Ho sary mamy tsy tontosa,
Ho tantara anaty boky
...Tononkiran'i rabosa.
--------
Rohy:
1504 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101