VAVAKO (gervais RANAIVOSON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray รด! Enoy 'zao vavako izao fa,

Tsio-drivotra manify
Manopatopa ny fanaha
Hamakivaky izay tandrify
Hananika ny lohasaha.

Ventsokira nohalefahana
Tinosiky ny aty fo
Ho fanati-pangatahana
Hanafosafo anao tsy Toha.

Hofahofam-pandresena
Handrindrina ny ahiahy
Hanavao izay nekena
Hamotsy indray ny fanahy.

Takalom-pitia mamerovero
Miboiboika Hafaliana
Hanefena izay tsy feno
Tamin'ny hazo fijaliana.

Amen.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1285 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108