Angamba tsy ho feno - Hajaina
Azo vakiana?
Angamba tsy ho feno
Ny fatram-pifaliana
Raha toa ka ianao
No mody tsy naheno,
Nanafim-pitsikiana
Na sanatria nandao.
Fa tsy mba izany iky
No zavatra hita maso
F’ianao tena sahy
Rakofanao ny tsiky
Tsy nifampiandry andraso
Ireo asa: tsy manahy.
Am-bolam-bitsivitsy
Dia marobe ny dingana
Vita, ts’isy fetra.
Fijery atao mahitsy
No nentina nandringana
Ny sakana rehetra.
Dia niasa ianao
Niasa tam-pitiavana
Maro raha tenenina,
Tontosa ireo natao
Ka naseho ireo Havana
Ny Havàtsa – Upem.
Mpanoratra , Poety
Malagasy monina
Any am-pitan-drano.
Izay natao dia nety
Angamba raha tononina
Toa nofy sy angano.
Kanefa raha ny marina
Dia noho ny fanandratana
Ny Maha malagasy
No notiavina nitarina
Atao avara-patana
Anivon’ito lasy.
‘lay lasim-panompoana
Izay sehatra iasana
Ho zezim-pamafazana
Ny fotoam-panehoana
Fa Aina tsy azo ialana
Ny Fitiavan-tanindrazana.
Ny soratra sy antsa
No nentina nanokatra
Ny fanehoam-pisian’
Ny Havàtsan’ny Frantsa
Sy ny “Santa-bokatra”
Voaloham-paniriana.
Hitohy anie ny ezaka
Hitombo ny asa miaraka
Ka samy hafana fo.
Eny, na dia dezaka
Aza avela ho raraka
Ilay ilo mby an-doha.
Sakaizako Poety,
Ry namako mpitia
Ny Maha gasy antsika,
Rariny sy mety
Raha mitatra hatraty
Am-pitan’onin-driaka
Ny fanandratana avo
Ny Faneva ho tazana
Fa ao ilay fihavanana
Ka Malagasy ravo
Sy tia Tanindrazana
No mifandray tanana.
Mankalaza e!
HAJAINA
(05/5/05)
(Natolotro ho an’ny Havàtsa – Upem Sampana Frantsa)
Hevitra mandeha
endrika01 (29/07/2009 16:28:49)
Tena tsara fototra,ilay vetso.Misaotra ny mpanoratra!
Mysento (02/08/2009 11:40:37)
Mombamomba
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasyDaty : 29/07/2009
Mpamangy : 1193
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TS'ISY TOA AHYINTY AHO HAMALY ANAO
INGAHY MAMPIANATRA
SAKOA IZAY
MAINTIN'ALOKA, FOTSIN'ANDRO
Dia aleo ...
NY TANINDRAZANTSIKA