INGAHY MAMPIANATRA (Hajaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INGAHY MAMPIANATRA

Variana dia variana
Dia mijery tsy mangina
Ny voamason’ireto zatovovavy izay mpianatra
Noho ny molotrao
Mipentsopentsona toy izao
Ampian’ny fanananao traikefa raha mampianatra
Ô ry Ingahy Mpampianatra!

Voasarikao izy ireo
Ka ny marina: ekeo
Fa nisy tamin’izy ireny, avy dia inty nanatona
Dia mora taminao ery
Ny… haka fy…tia
Ka tsy maso ila intsony, f’izy roa: mikatonkatona
Ô ry Ingahy Mpampianatra

Impiry akory nifanojo
Ka toa voafatotry ny rojo
Ny masoanao sy ity mpianatra rehefa ao am-pianarana.
Mitsiky ao am-po ianao
Mody tohizana ny atao:
Manazava ireo lesona, mody ampiana fananarana

Fa ny loza; tsy atambo:
Angamba ianao raha nisy rambo
Dia hoy aho hoe: hainao mihitsy ny mampandihy azy izany?
Ka andeha re atao hoe
Ny tovovavy Ramose
No ratsy saina fa ho anao: fomba ilay mananihany.

Tsy ao anaty fampianarana
Ity karazam-pahazarana
Ny ezakao koa hita ihany fa te ho Olona Filamatra
Satria raha ny taonany avy
Dia toy ny zanakao vavy
Hitsio izy fa adala raha tianao ry Ingahy Mpampianatra.


HAJAINA
08/11/98
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1623 1
Hevitra mandeha
maeva74 ( 31/07/2009 15:14)
Ö Ry ingahy mpampianatra!
Mahafinaritra no tsara e!
Nirilala ( 31/07/2009 22:06)
Tsara ilay izy, somary mampihomehy nefa tena zava-misy.
Ary mba ahoana ny amin'ireo ramatoa mpampianatra?
Mysento ( 02/08/2009 11:33)
Ny maso ,adaladala.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/07/2009 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118