INTY AHO HAMALY ANAO (Hajaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INTY AHO HAMALY ANAO

J’aimerais bien vous croire un jour mais mon cœur y renonce
Ma question reste toujours sans réponse.
MIKE BRANT

Tiako loatra ny hino anao fa hisy indray andro any…
Nefa indrisy izato foko tsy manaiky an’izany
Manontany aho hatrizao ts’isy valiny hatrany!

Izaho dia izaho ilay tsy hitanao tao anaty taona maro
Mety ho ilay namanao, voalazanao ho tsy nahatsiaro?
Fa namaly aho kanefa angamba kely feo loatra
Na ianao koa no efa naniry honina any ankoatra…?

Manontany mantsy ianao, manontany foana, hatrany…
Raha izaho, ho’ aho no Poety tamin’izany andro izany
Notereko ianao hitsiky: mandehana, mitrakà
Izay zazavavy iray va re no tsy hijoroan-ko lehilahy?

Iza re no hahafantatra, hoy ianao ry sakaiza
Te ho any aho hanoina, nefa ianao aiza ho aiza.
Injany feo mitalaho… tena mila famonjena
Toy ny kiaka an-kady lalina, toa tsy vatrako jerena.

Inty aho hamaly anao, ndeha hiainga ka tazano
I Gasikara misy ahy anefa mbola ampitan-drano
Hilomay aho ka ezahiko ho voarainao ny hafatra
Hoe: aza diso manantena ny fiainan-tonga lafatra.

K’izao no izy e, ireo baraingo dia inoako fa hifarana
Diso ianao nilaza ny hoe: ts’isy ny fahasambarana
Fa ny fiainana eto an-tany: fahon’ALOKA sy TSIKY
Izay angamba e, ampy izay fa masina indrindra iky.

Hajaina janoary 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2003 0
Hevitra mandeha
endrika01 ( 01/08/2009 08:16)
Qui saura....ma question reste toujours sans reponses. Mampikolay io fitiavana io,angamba e! :-P
Mysento ( 02/08/2009 11:31)
Misaotra,anao.
raha toa afaka,
ny hamaly ah ianao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/07/2009 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148