MAINTIN'ALOKA, FOTSIN'ANDRO - Hajaina
Azo vakiana?
MAINTIN’ALOKA, FOTSIN’ANDRO
Raha tsy eo ianao: maintin’aloka ny lokoko
Tsy fantatrao angaha, fa ianao no efa tokiko?
Nivoadini-dra tsy satry ny tavako fadiranovana
Sarintsarin’olon-tsembana ka maniry ny harovana.
Raha tsy eo ianao: fotsin’andro hatsatra aho
Matim-bela toa tsy avotra, lanin’orana mitraho,
Tari-drano ankilahila ity fiaina-mahonenako
Be ny very, izaho irery, izaho sy ity fieremako.
Raha eo kosa ianao, irony mainty sy ny fotsy
Na ny aloka sy andro: toa mozika handrotsirotsy,
Ny androm-piainako hisosa, tsy hataho-masomena
Tena olona aho iky, feno fahaleovantena.
Hajaina
okt 2005
Hevitra mandeha
Zozoro (30/07/2009 12:41:00)
Iainako ity aingam-panahinao ity.
indrindra fa ity andininy hoe :
Raha tsy eo ianao: fotsin’andro hatsatra aho
Matim-bela toa tsy avotra, lanin’orana mitraho,
Tari-drano ankilahila ity fiaina-mahonenako
Be ny very, izaho irery, izaho sy ity fieremako.
Mankasitraka eh !
Mysento (02/08/2009 11:39:30)
Mombamomba
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasyDaty : 29/07/2009
Mpamangy : 1082
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TS'ISY TOA AHYINTY AHO HAMALY ANAO
INGAHY MAMPIANATRA
SAKOA IZAY
Angamba tsy ho feno
Dia aleo ...
NY TANINDRAZANTSIKA