SAKOA IZAY (Hajaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAKOA IZAY

Aza taitra amin’izay zava-mitranga
F’ianao no rangory mpamelona ny afo,
Ianao no efa zatra sy tia langalanga
Ka mody mba voky mahita sakafo.

Misy ireo maso izay mipitrapitra?
Misy ny fo izay mangaihay?
Nahoana efa fantatra izao fa ditra
Ka mbola tsy foy irobohana indray?

Ny maso sy fo izay nitondra takaitra:
Naratra tsy fidiny noho ianao
Dia niantso tody sesilany tsy laitra,
Vokany angamba izao loza izao!?

Misy farany avy ny zava-drehetra,
Ny ferin’ny hafa ho sitrana indray
Ny zioganao kosa: tsy mampitsetra,
Kapoka io…. Sakoa izay!


HAJAINA
Okt 98
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1415 0
Hevitra mandeha
Mysento ( 02/08/2009 11:35)

aza ,latsaina.
fa hanaro hisaina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/07/2009 15:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106