You are here: home > Vetso

TS'ISY TOA AHY - Hajaina

Azo vakiana?

TS’ISY TOA AHY

Ho lany andro am-pisikinana
Ka tsy hahita akory ny tena mendrika indrindra
Ny fiakarana, fidinana
Hitondrana izay forongo tsy ahafahana mamindra!
Angaha ianao raha  ho any
Dia hihevitra fa hahita ny tsara noho ny tenako?
Na hitety vazan-tany
Tsy hahita izay ho meva noho izaho sy ny fonenako.

Hidi-bingo am-pandehanana
Variana tsy hahita akory bibilava hanakan-dalana
Angaha Rafotsy leom-boanana?
Ka ny siny vato avy, lolohavin-ts’isy akalana?
Oh, very ianao fa miverena
Dieny atsotrako ny tanako, tokony horaisinao
Fa na hitety Firenena
Tsy hahita toa ahy eran’izao tontolo izao.


     HAJAINA
     Martsa 2005

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

maeva74 (31/07/2009 15:10:43)

Tsy ahita akory ianao na hitety izao tontolo izao.
Kanto ilay tononkalon' ni Hajaina. Mankasitraka

Mysento (02/08/2009 11:28:56)

afaka ,mahita ka.

Hametraka hevitra

Midira aloha