Fitiavana (hajani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voankazo iray ao anaty ala,
Sarotra azo nefa tsy manan-tsahala,
Raha tsy mahay dia hidiran'ny kizo,
Voky ihany fa maharary kibo.

Afo iray manome hafanana,
Mafana tokoa ka sarotra hialana,
Afo mandoro mihatra aman'aina,
Tandremo sao tsy zakan'ny saina.

Andro tsara, masoandro mibaliaka,
Mirana ny andro ka sambatra isika,
Misy ny andro mety hiavian'ny orana,
Tandremo ihany fa sao dia torana.

Ny itiavana izany raha lazaina tsotsotra;
Tsara tokoa ka aleo mba mihotra,
Kanefa aza maika ny mba haazo,
Manenina avy eo ka voan'ny tazo.
--------
Rohy:
5492 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : hajani
Nampiditra : dadatoa
Daty : 06/08/2004 05:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105