You are here: home > Vetso

FO VOARATRA - H_Eric

Azo vakiana?

Tiako loatra mantsy izy zay.
Sady ihany koa tia ahy  
Nefa indrisy ankehitriny
Niova olo-kafa indray no tiany.

Tsiaro sisa ilay fitiavako
Ranomaso no nanenika ny tavako
Ilay sangisanginay fahiny
Niova ho fery ho ahy ankehitriny

Na ilay tsikiny aza moa
Niova toa nandratra fo
Ilay angotiny eo anilako
Ilay teniny hoe " ianao no silako"

Dia niova fihetsika  mahery
Nandratra ahy namela fery.
Izao ny foko dia naratra
indrisy tsy mba nisy nihantra.

Nefa any andro sy fotoana
Mbola ho sitrana eny foana
Tsy maintsy hisy tia ahy
Dia ho fafako ireo tsiahy.

Raha mbola misy koa ny farany.
Ho voafafa ny anarany
ka hosoloiko izay tia ahy
Tsara toetra sy fanahy.

Jereo farany ny molotro
Tso-drano no hatolntro
Mahita ny soa sy tsara
Mahazoa dimby sy fara.

H_Eric &Tsiory
page fb: H_Eric

Hametraka hevitra

Midira aloha