RAHA MBA IZAHO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala oa ity foko
Fa mitia antsokosoko
Ilay efa vadin'olona
Raha mahita izato molony.

Madera ndaingo mena
Manaitra vao jerena
Kanefa tsy hay ny atao
Satria efa vadinao.

Dia sambatra ianao
Fa azonao atao
Ny mamihina ny vatany
Miondana eo antratrany.

Manoroka ny molony
Izay tianao atolony
Mitantana ny tanany
Dia fitia madio no sarany.

Fa ity foko adala
Tsy mba mahalala
Hoe ela nge tsy jereny
Tsy mba afaka homeny

Na dia tsiky kely aza
Na dia teny raim-bava
Mibitsika hoe tiako ianao
Indrisy tsy hay ny atao.

Mangoritsina ny vatako
Rehefa nikasika ny tanako
Ny vatany malefaka
Taminy izahay niara nipetraka.

Tsy tanako ny saiko
Fa toa misidina tsy haiko
Mieritreri-dratsy zany
Hoe raha izaho zao no tany.

Izato bikam-batany
Asa re raha fantany
Fa ny endriny rehetra
Mampite hisetrasetra

Hanoroka tsy lera
Ilay molony madera
Nefa nofy ihany
Fa tsy hiseho izany.
--------
Rohy:
721 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 08/05/2020 19:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101