SIPA TAMBANIVOLO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mivoatra kely indraindray,fa mba slim
jean ny ambany.
Indrisy anefa, sarokenatra dia notsindriny zipo ihany.
Mba nanao irony ankanjo, mampiseho ny tapa
nono.
Nasiany lobaka indray, fa sao hono izy ka
voajono.

Ny pataloany dia tsotra, ny cinturany
kofean'omby.
Ny ranomanitra makirana, kanefa tena mba
mahomby.
Tsy hiasany saina akory izany, fa iny no
hentiny mandeha.
Fa ny endrika aoka fotsiny, feno
hatsarantareha.

Ny tena loza dia ity, ny faladiany vakivaky.
Satria miasa tanim-bary, izay efa kinga sy
malaky.
Ny felatanany amin'izany, efa maniry kitro
ratsy.
Efa masakiny angady, sy maka vilona amin'ny antsy.

Ny fivoahany hafa kely, tsy mampiasa rano na
hizienika.
Fa ny azy tsotra ihany, ravin-kazo dia
mahavita.
Ny laingo mena tsy mba misy, fa hataony
natoraly.
Ny volony tsy mila mande coifure, nefa
vopasony voakaly.

Rehefa tonga izato fety, kapa tsotra dia efa raitra.
Tsy mila zesta mamindra, fa milamina tsy taitra.
Na dia izany aza anefa, ianao dia tsy hariko.
Fa sady masina no hendry,ka tsy hariko ny olon-tiako.

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : H_Eric
Daty : 04/05/2019 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146