TIAKO IANAO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hafaliana tsy ho voafetra
zany hafaliako ry malalako
satria ianao dia hitoetra
mandrakizay eto anilako

hafaliana tsy ho voafetra
zany hasambaranao
satry ny amiko rehetra
dia hatosako eo atratranao

hafaliana mandrakizay
ny miana eto anilanao
anaovako voady eo @ Ray
fa izaho tsy hanarinao

ianao no zaridainako
ka kolokoloiko sy harovako
tiko ianao ry malalako
zay no voatenin'ny vavako

tiako ianao ry anjeliko
ianao no safidim-poko
aminao ny fifaliako
ka ho foana ny toloko

misaotra anao ry malala
fa ianao no nampiova ahy
angamba efa lasa adala
soa fa teo ny silam-panahy

tiako ianao ka hajaiko
tiako ianao ka tsy hariako
tiako ianao ka ho alaiko
ho ravakiny tokatranoko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2798 1
Hevitra mandeha
clementyori ( 04/04/2016 20:17)
Mafnartr be le iz,tohiz fa tsr
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 01/04/2016 20:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101