Ho anao ry Dadabe (Hasina ANDRIANARIVO)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotr'i Hasina Andrianarivo ho an'i Dadabe Andriambala Joseph feno sivifolo taona ny 19 Septambra 2015

"HO ANAO RY DADABE"

Tombon-taona, tombon-tsoa, tena fatratra tokoa
Izay tsy manam-paharoa no nomen'Ilay Tsitoha,
Fanomezana tsy ho lao, no natolony ho anao
Andro lava ka derao, Ilay Jehovah Tomponao;
Eny, mendrika ho deraina ary koa ankalazaina,
Ilay Mpamelona ny aina, Mpampiposaka maraina
Sady mbola manome, fahasoavan-dehibe
Ka ataovy ho rehareha, ho anao ry Dadabe.

Tombon'andro hafa kely, tsy ho adino velively,
Fa tarafina ho modely, ho tantara izay hiely
Ho an'ny zanaka amam-para, dia ireo dimby sy ireo fara
Samy hampita sy hizara, ka hilaza sy hanambara
Fa efa sivifolo taona, nefa mbola tafahaona
Miaraka nifampitaona, tafavory manoloana
Ity andro lehibe, miara-paly sy mandre
Ireo hain-kanto maro be, ho anao ry Dadabe.

Ho salama, ho finaritra, ho ela velona haharitra
Ka hisokatra ny lanitra, ho arovan'Andriamanitra
Hirontsaham-pitahiana, sady ho feno fifaliana
Ka hanandram-pihobiana, f'efa tojo izay nirina.
Izay no firariantsoa, sady ventsoventsom-po
Izay atolotro amin'ny fo, sy arahin-tsiky koa.
Ho faranako amin'ny hoe: "Ho tahina foana anie"
Dia fiadanan-dehibe, HO ANAO RY DADABE.
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/hasina-andrianarivo/ho-anao-ry-dadabe
Sokajy : Tsingerin-taona
1299 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hasina ANDRIANARIVO
Nampiditra : hsn5
Daty : 21/10/2015 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1992