Fo vahy (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malalako any ho any
izay tsy mahalala akory
ireto andalan-kira ihany
mbola revo miari-tory
ao ambony pejy tonta
noraketin-tsy hipika
na dia vasoka sy rota
fa ao ilay fitiavantsika
sondrotr'aina sy efonefona
vao maraina mankadala
kanjo ampinga sady lefona
niarovana malala...
voaloham-betsovetso
nankafizanao ny sento
voalohan-tononkirako,
elatr'andro nifikirako

Nofy izao tontolo izao
tsy hita lany, tsy hita farany
aloka ela sy ny vao
no mameno ny velarany
aloky ny tenantsika
misy fofonain'ny tsiahy
dindo mbola mahadika
ilay fitiavanao sy ny ahy
ry sakaiza fahazaza!
kanjo izao tontolo izao
sangisangy sy lalao
mihofahofa te-hilaza
fa ho sehatra ny tsatsony
izay minia mandà ny antsony
...

Avaloko eto toy ny lamba
itony tononkira itony
fa ny tenantsika angamba
tsy hirakotra azy intsony
ndrao ny erim-po mitopy
ta-hanoroka ny fofony
na ny kintana tsilopy
ta-hamelona ny lokony...
sina izao tontolo izao:
maminy aza hiara-dia
"fa hadalan'izay manao ho tany fady ny fitia"
--------
Rohy:
1796 1
Mpakafy: Rafieritreretana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 15/07/2013 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123