You are here: home > Vetso

LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA... - HASINIONY

Azo vakiana?

Ny fon'ny poeta, efitra mangina...
tany babangoana mangadihady loatra
tsy misy vohitra ao na toby filasiana
fa lemaka dadasika lalovana hihoatra.
Fanahy sesehena no efa nomba tao:
ny habakaba-manga, ny tany sy forongony
hatramin'ireo tantaran'izao tontolo izao
ny fahatsiarovana aza manko dian'ny tongony!

Ny antsa mihararetra - toa kalo nohirany
tsy feony akory ireny: ny sento, ny toreo
ny poeta tsy misento, ny poeta tsy tomany
fa fiainanao raha sendra nandalo teny ireo.
Ny fon'ny poeta, efitra mangina
ahatazananao mpandalo sesilany
milanja firavoana sy vongam-pahoriana
hataony masom-boly hatrembona any ho any!

Tsinjo tao ny hendry, ny adala, ny mahantra
ny vavaka sy ny ompa, ny sitraka aman-tsiny
ny mpiady sy ny babo, ireo fitia voaratra
tsy nisy tafatoetra fa samy mpivahiny.
Tao no nifanojo ny vatana sy ny aloka
ny lasa sy ny ho avy, ny mamy sy mafaitra
kanjo raikitra ady, nifamely, nifandaroka:
tselatra avy tao ireony hirany manaitra!

Ny fon'ny poeta, efitra mangina
misy ilay diamondra nafenin'andriamanitra
nitady tao ny anjely ka saika tafandriana
raha tsy efa notselarin'ny kotrokiny lanitra.
Io 'lay tonga hira malefaka fa sahy
nanentana ny saina sy fo malai-mihetsika:
tsy feon'ny poeta fa tenin'ny fanahy
manako ety an-tany 'reo mampiretsidretsika...

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

raozigasy (19/08/2013 21:29:08)

ny fon'ny poeta; harena tsy hita maso
fanahy lafo vidy, tsy hitan'ny malaso
ny olona rehetra maniry mba handroaka
handrombaka tandrify , dia avy eo hitsoaka
.... nefa ...
ny fon'ny poeta,tahiry tsy hita refy
tsiaro migodana, tsy voasakam-pefy
tsy hita holanjaina, tsy hita alaina fatra
enjehin-tsy mitsoaka, mijanona tsy tratra

andry 1000 (25/04/2015 08:33:41)

mahay i hasiniony a! tsy avelany penina tsy hamoaka ny ao anatiny ao ny poeta e? Tsara be
.....................
ny peniko misosa
tsy hay izay hiafarany
fa betsaka miavosa
ny tiany sy hambarany

ito peniko ito
manainga 'zany tanako
mampandrotsirotsy
fanahy izay tena lanaka

satriko anefa,
tsy hijanona eto
ito peniko ito,
hitety vazan-tany;
hanainga ireo tsiahy;
hiaina ny anio
hibanjina ny ho avy...

hjravs (25/04/2015 08:35:04)

Toa niray fanahy tamin'ity tononkalo ity ilay "tontolon'ny Poeta" an'i hjravs, Hasiniony a:
Manorata indray,
dia manorata hatrany
f'izaho mangahiahy
mbola te-hamaky ihany
ny sora-kantonao!
Fa mbola aiza ianao?!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : HASINIONY

Nampiditra : hasiniony
Daty : 19/08/2013
Mpamangy : 1959
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

...?
Tsy tsiny hono...!
ny fitiavana ?
Fo vahy
Harodako
ny lasa...
Tenin'ny hafa
Tolona
Poety
RY FIRENEKO