Ny haisoratra? (HASINIONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HAISORATRA ?

Fototra iray maha kanto ny Haisoratra,
Ny fahaizana mandrindra ny loko sy ny sary
Zanaky ny misy ireny ka tsy maintsy aboraka
Ritsohan'ny natiora sy ny bitsiky ny Voary...

Ireny indrindra no mivoy sy mamelona azy hiaina,
Voavoatra an-talenta mba haniry sy hamaka
Hampiontana fanahy sy hanintona ny saina
Ilay harena sarobidy idealy tsy ambaka...

Indrisy anefa ankehitriny fa ilay an-tàna naha mamba,
Ritra, Pendana, Makiana! Tsy ho azon'iza amafazana
Ka ilay fiventin'ny mpanoratra no nanjary tsy ampy, banga
Toy ny angano, hain-teny, ka aiza indray no hiririavana ?

Ireo hanitry ny tsiahy bainga azo avadibadika,
Dia ho tantara sisa ny fisiany ao an-tsaina
Hampangain'ny mbola ho avy an'endrika mivaloharika
Ho potraka ny Haisoratra, saozanina tsy hiaina ...


Hasiniony: "Ny Haisoratra: mamelona, manafaka...",
Aza avela hikororosy fahana !
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
3198 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 07/08/2004 14:30
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107