Poety (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takoritsika manako, ny kalokalon’ny poety
Mamohafoha indray ny ela, eny an-tobin’ny maraina
Horakoraky ny nofiny, tomandava toa tanety
No iraketany ny misy, onjan-tsiky sy taraina

Ny ambiroany injao mikopaka, misidisidina tsy miato
Ny retsiky ny fahagola, no ibanjinany ny ho avy
Angaliany amin’ny teny, hanatratra irony kanto
Miakoako ny angotiny, sovo-drivo-mampanavy

Angolangola tsara pirina, no ngononony ho vazo
Izay tsy hita noanoa, no ambarany fa bitika
Ireo diarangotry ny fony, no fanefitry ny tazo
Ao anaty hakamoany, no anovozana ny vitrika

Hafahafa ny poety, ka voapanga ho mpandrogony
Na mba miezaka mamikitra, tsy ho lavo na hianjera
Ireo fanosoram-potaka, 'zay manorika ny fony
...no zary vakoka madiry, iraketany tsikera.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1923 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 13/02/2013 09:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014