Rediredy (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toy ny fiavinao ?
ry orambatravatra, no fiavin'ny fitia,
Raha toy ny fifafinao
ry erika aman-javona, no fisokon'ny fitia,
Raha toy ny fidanikao
ry ngahibe masoandro, no fandoron'ny fitia,
...
be no rovitra sarotro
ao ny vaky fefiloha,
zovy moa no tsy ho ngoly
iza no tsy hamirifiry,
mitombo ny mpivarotra aloka
mifoha ny voninkazo adala.

Ny foko aleo hihatakataka
Mba tsy ho voatsininao.
...nefa aho mba te hitia!
--------
Rohy:
Sokajy : ahy
1470 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 29/10/2012 19:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146