Indrisy ry foko! - Hatenaina
Azo vakiana?
Indrisy ry foko voatefy tomany
Indrisy ry foko efa zatra mijaly
Indrisy ry foko torovana hatrany
Indrisy ry foko tsy mitsaha-marary
Aiza no misy an'ilay fanafody
Aiza no misy an'ilay fahasambarana
Rahoviana ireo tsiky vao mety ho tafody
Rahoviana no ho afaka izato hasasarana
Indrisy ry foko be fitarainana
Tsy nahita ny mamin'ny fiainana akory
Fa voky tomany sy zatra fisainana
Ka sasa-misento fa ory dia ory
Eny,ry foko nanofy an'izany fiadanana
Nitsimpona mamy naloan'ny olona
Ry foko tsy nanana izay mba fananana
Nigoka ny mamy tanatin'ny tolona
Eny,ry foko mahantra sy rakotra fery
Jereo ity ianao fa efa ila ho faty
Ry foko mahantra efa zatra miery
Indrisy ry foko "nigoka ny mangidy tsy tanty"!
Mombamomba
Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 05/11/2018
Mpamangy : 1115
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RATOVOVAVYSambatra
Fahasambarako
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Raha mbola misy
Jehovah รด!