Raha mbola misy - Hatenaina
Azo vakiana?
Raha mbola misy azo hambara
Ka azo avalona ho tantara
Raha mbola misy azo henoina
Sy anarana azo hiantsoana
Raha mbola misy azo hombana
Raha mbola misy ny hazavana
Mba hisandratan'ito foko
Sy hampitraka ireo manjoko
Raha mbola misy hantenaina
Ka ny andro hihamaraina
Dia hipoitra ilay masoandro
Ary hibaliaka indray ny andro
Eny,raha mbola ao ilay Ray
Dia tsy ho mandrakizay
No hirotsahako tomany
Sy hangirifiry sesilany
Raha mbola ao ilay ao ambony
Mpandrotsirotsy izato fony
Dia manantena aho rey olona
Fa mbola hifaly, tsy hiolonolona!
Sokajy :
fanantenana
Mombamomba
Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 09/11/2018
Mpamangy : 724
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RATOVOVAVYSambatra
Fahasambarako
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Jehovah รด!
Indrisy ry foko!