DADANAY IZANY - Heriarilala
Azo vakiana?
DADANAY IZANY
Tsy nitandro hasasarana
raha nikatsaka ny mamy.
Dadanay izany !
Tsy maintsy lohalaharana
ny hanasoa anay hatrany.
Dadanay izany !
Tsy mahalala reraka
na fety na alahady,
tsy maintsy hoe mitady.
Tsy mba mipetrapetraka
na tia mandrimandry.
Ny hakamoana fady !
Arahaba ianao ry Dada
Jesosy anie hanambina.
homeny anadro lava
hahita ny tadiavina.
Heriarilala Andriamamonjy, 25 Jona 2021 in Tapikan'ny Fanahiko, tak 7
Mombamomba
Mpanoratra : Heriarilala

Nampiditra : iheriarilala
Daty : 14/11/2022
Mpamangy : 113
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FITIA AMPITAIN-DAVITRANENY
NOSY IRAIKA HIANY
SORONIKO NY AFO
RY FASANA
IZAHO SERANINAO
Tiako ianao lalaiko, andr