FITIA AMPITAIN-DAVITRA (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA AMPITAIN-DAVITRA ????

Nandefa sary ianao, drinaiko soa aman-tsara.
Fihiniko eto an-tratra, dia banjiniko tsy ankiala.
Iriko ho toy izany ianao maharay ny avy atỳ.
Inoako fa mitsiky sy falifaly ery.

Dia sary ifampitana no endri-pihaonantsika:
ao no mifampibanjina, ao no mifankahita
ao no mifandray, ao koa no mifamihina
ao ny endriko jerena, ao ny toetrako dinihina.

Mateti-mifanoratra fa te hitafa foana !
Eto Ampesiboky no mifanao fotoana
fa ny eto manko mihiboka ny lalana mihidy ;
ny fo mifanalavitra tsy manana safidy.

Fa ny rano tondraka ho ritra, ny aretina ho foana
Hifampiantsampy isika rehefa indreny tafahaona
ka tsy sarisary intsony no ‘ndeha hifanolorana
fa fitia tera-bony no tsy maintsy hifanohonana.
Heriarilala, 03 Mey 2021 in Tapikan'ny Fanahiko Tak 18
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
451 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 14/11/2022 15:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098