You are here: home > Vetso

NENY - Heriarilala

Azo vakiana?

NENY

Vehivavy lafatra mikatsaka ny hahasoa,
matetika no sasatra sy valaka tokoa,
kanefa tsy mihevitra ny hamelona taraina,
vehivavy mendrika tsy tia miferinaina !

Vehivavy miasa tsy mba misandry valaka,  
maniry sy  mikasa ny hahatafita zanaka
dia miteny sy manoro ny lalana mahitsy
tena sahy mijoro, raha mibedy tsy mitsitsy !

Vehivavy miavaka naniry ny fisiako,
niaro tsy ho solafaka, nitantana ny diako.
Tsy iza akory izy fa 'lay kitapo nifonosako,
ka aminy avy hatrany ny fitiavana no atosako !

Ka valimbabena inona no hasetriko ry Neny ?
moa tsy fahendrena sy fitiavana ombieny ?
Izay no hany tokana hanajako anao
dia hataoko asa koa ny hivavaka ho anao.

Heriarilala Andriamamonjy, 17/04/19 in Tapikan'ny Fanahiko, tak 8

Sokajy : Fety, Fianakaviana