SORONIKO NY AFO (Heriarilala )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORONIKO NY AFO
Ra namonto tany no nandriaka teto.
Hiaka sesilany, nahavelon-tsento.
Fa maty novonoina ireo nitolona ho ahy ;
resy nobaboina, mandrotika fanahy.

Teo no tsy nandaitra ny “rano, rano, rano! ”
Mpamadika mafaitra no nampiditra angano
ka onena sy ongaina ny vahoaka malagasy.
Ny mpiady savolaina, indreo nangasihasy.

Fa soroniko ny afo, tsy avelako ho faty.
Hatao manakoako, hipaka hatrany anaty.
Ho re maneran-tany, ny fitiavako ny Nosy.
Hiady fo hatrany, tsy hanaiky ny hosihosy.

"Andronao izao, ry Tanora, mifohaza!
Kopahy ny afonao hafana lalandava.
Etsy mihetseha ho an’ny tanintsika.
Aza avela ho faty ny fanilo miampita."

Heriarilala Andriamamonjy, 04/2021 in TAPIKAN'NY FANAHIKO, tak 6
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
341 1
Mpakafy: TononkaloNM
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 06/11/2022 15:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136