mandalova Andriamanitra ! (heritreritro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takizay izao aho taloha
Raha mba nianatra kokoa
Raha mba niharitra elaela
Raha tsy variana nihenahena
Hoatr’izao mba tsy hoatr’izao
Ny adim-piainako isanandro
Reraky ny ‘ts'isy atao
Tsy misy na indray mahandro …
Fa nankaiza ary Andriamanitra ?

Tsaroako nefa aho fahiny
Mba hoatr’iny ankizy iny
Nandeha nianatra maraina
Saingy kamokamo saina
Dia aiza izao no niafaràna
Miantehatra am’fihantràna
Mba miezaka aho mikalokalo
Fa ny olona aza ve tsy handalo ..
Dia mba miangatra ahy ny lanitra ...

Mba manisa aho indraindray
Efa firy angamba izay
Ny tongotra nandingana ahy
Tsy mba nisy niahiahy
Rehefa miha vitsy ireo
Dia efa hariva izay ny andro
Dila koa ny masoandro
Izaho irery sisa no eo ...
Mba mandalova Andriamanitra !
--------
Rohy:
1612 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139