HAIADY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAIADY

Izaho tsy mb'hisary adala,
handranitra ady,
mikisaka aho, aleoko miala
ataoko fady
ny miteny,
ny ahy ny bala
tsy ho reny
fa heriny ny halemeny.


Izy hifofo sy hihaika,
raha mamely,
izany, anefa, tsy hampiraika
ahy velively
satria mantsy,
tsy re tsaika
ny ahy ny fantsy,
saingy mitsaka toy ny antsy

Hitrerona azy moramora i Fahanginana!
Hanafy henatra sy akora i Filaminana!

hjrAvs
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - fiainana
1108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145