ii+!=ii! (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ii+!=ii!

Fa nahoana moa,
no tsy hanan-jo
ny hifankatia
isika sy indry,

F'angaha 'zaho raha nivoady
ny hanambady
dia isika ho fady
tsy hifampitady?!

Ianao, mantsy, tiako
tena tiako tokoa
fa ilay novadiako
tsy foiko ihany koa

Ka ny azy jifaiko
ny an-dry koa vidiako
Ny an'azy vitaiko
ny an-dry iadidiako
Ny azy karakaraiko
ny an-dry iangaliako
Fa indry ndray sipaiko
dia izy vadiako

dia isika miaraka
fa 'zahay tsy misaraka
Sa ve isika telo tonga dia hampiaraka
dia tsy asiana arakaraka!

Ôtran'ny mety a!
Sa ve hoe a! a! a!
hjravs
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Fitiavana
1662 2
Hevitra mandeha
Arofanina ( 02/09/2015 06:43)
a! a! a! kosa e!
Ohatry ny tsy mety a!
hjravs ( 03/10/2015 14:53)
sangisangy iny, Arofanina a!
DotMG ( 23/12/2015 15:47)
Tena mety ity raha ny lehilahy no manan-droa (na mihoatra ny roa). I Abrahama izao nanambady mpirahavavy miampy roa vavy hafa andevon'izy mirahavavy ireo. Fa nanomboka tamin'ny nah'Apostoly an'i Paoly no nanjary nivoaka ny lalàna vaovao hoe tokony ho tokam-bady ny (diakona aloha tamin'izany) mpino.
Dia ny kolontsaina tandrefana ihany koa no nanao an'io tokam-bady io fa raha ny Afrikanina sy ny Arabo amin'ny ankapobeny tena arakaraky ny haren'ny lehilahy iray no ahazoany manambady vehivavy mihoatra ny iray.

Naleoko ihany i Saoly nijanona Saoly fa tsy niova ho Paoly.
karako ( 29/12/2015 20:57)
Ka i Jesosy koa no niteny hoe "Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no namelan’ i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ ny voalohany dia tsy mba toy izany." (Matio 19:8)
Lahy iray Vavy iray :-)
DotMG ( 30/12/2015 03:29)
Tsy misy resaka misao-bady mihitsy eto! Izay novadiana tsy azo isarahana mihitsy (satria ny vehivavy tsy manan-jo hivady amin'ny lehilahy roa samy mbola velona)! Na manampy vady aza ny vady teo aloha tsy maintsy tiavina hatrany! Vakio tsara ny tononkalo fa tsy mitsoaka adidy io na misy fitiavana mihena. Vavy iray lahy iray no fitsipika nisy fa aza mamorona na mampifamadika, avadibadiho tsara aloha ny Bainolin'ise.
karako ( 30/12/2015 12:43)
Sangisangy io hoy i hjravs ko hihihi
Miala tsiny raha tsy azon'ise ny andininteny sy ny contexte :-) Eny tokoa, @ kristianisma dia tokam-bady fa tsy tokony mampiraf.
P.S : Jakoba ilay nanambady mpirahavavy fa tsy Abrahama
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117