LOJIKAN'NY FISIANA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOJIKA.

Nisongadina ny avo, fa nietrietry ny iva.
Namariparitra ny ambony ny filetsin'ny ambany.
Tonga ny anio maraina fa nisy ny omaly hariva.
Nangerongeroka ny ngidy noho ny hamamian'ny mamy!

Tena afaka ny afaka noho ny gejan'ny fatorana.
Tonga harena ny harena noho ny fahantran'ny fahantrana.
Tany hay ny tany hay fa nisy, teto, rotsak'orana.
Haizim-pito ny haizim-pito fa nisy tara-pahazavana.

Voavolavola ho haratsiana ny fotaky ny hatsarana.
Ny lamalaman'ny fitia nandranitra fifandrafesana.
Ny loharanom-pahendrena nanatsikafona hadalana.
Ny tsy nandavam-pahavelomana no hanekena fahafatesana.
Lôjika!

Hj Ravs (Fandalina tak. 5)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1004 2
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 17/04/2015 06:03)
tena hafa kely indray zany raha aingam-panahy an!!! sao dia manao méditation nareo vao manoratra
fenohasimpitia ( 17/04/2015 06:57)
Tena lalin-tsaina enao Ra-hjravs a! tohizo fa m'lay e!
hjravs ( 17/04/2015 08:45)
Misaotra, namana a!
vololona208 ( 15/05/2015 12:09)
marina izany somary saro-takarina le tononkalo
z'andrygasy ( 12/06/2015 17:02)
Mafy anao, vous êtes fort, tohizo foana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143