TSY KISENDRASENDRA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY KISENDRASENDRA!

Asa ianao raha mbola hiteny
hoe kisendrasendra ireny
'zaho sy ianao tafaray
t'anaty zotra anankiray
ny toerana iny efa tery
hany ianao ka voatery
tafaankina tan-tratrako,
nodiako mangana tsy fantatro!

Asa ianao raha mbola handa
hoe kisendrasendra angaha
'lay izaho sy ianao niara-nitsangana
teo ambany lavarangana
niara-nialoka nilahatra
niandry ny orana nitsahatra
nifampijery dia nihomehy
fa samy efa kotsa be!

Dia sendrasendra ve no havaly
'lay omaly teny an'hopitaly:
ianao niandry olo-marary,
izaho andeha hanati-bary;
hay nifanila farafara
'lay namanao sy Inenifara!
ka tsisy intsony nihafahafa
fa avy dia nifanatsafa!

izaho kosa ho'aho mihaiky
fa tena zava-mahatsikaiky
raha isak'izay mihaona
dia hoe kisendrasendra foana
fa io anjara tsy midify
lahatra mifanandrify
matoa mifanojo hatrany
fa tsy kisendrasendra izany!

sa ahoana hoy ianao?!!

Hj Ravs
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1171 2
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 17/03/2015 09:10)
tsy kisendrasendra sa fifanojoana e! tsara fa mankasitraka e! tohizo foana
hjravs ( 18/03/2015 09:24)
tena tsy kisendrasendra ka! merci Andry 1000!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152