You are here: home > Vetso

"TIA SA TIAVINA? " - IaroMalala

Azo vakiana?


     TIA sa TIAVINA?

Raha toa ianao no "TIA":

Dia aza misahirana
Mamboraka fitiavana
Amin'ny olon-tiana mihitsy...
Azà miseho milay
Ho tena potika aminy
Anefa.......
Na hoe babony tanteraka,
Fa sao hapetrapetrany!
Dia hitonantonana....
Hipetraka an-tokonana.

Fa raha ianao no "TIAVINA":

Bitsiho am-poto-tsofiny
Ny vetsovetsonao rehetra,
Ny volana aman-kitana...
Fitia tsy misy fetra.
Lazao fa tsy manahy....
Aza miahiahy mampiseho
fa tiany ianao,
Na dia tiavina aza...
Aza misy hafenina
Izay ao anatinao...
Hatramin'ny isan-jaza
Hirifanao hananana....
F'izay no varavarana....
Dia aza hadino ity:
Mody hodio be marenina
Ny fitiavan'olon-kafa...
Aza henoina akory
Sao sanatria handratra,
Na hamboly sorisory
Ao anatin'ny fonao.

Ankoatr'izay angamba:
Efa fantatrao!......

            IaroMalala
          "09 May 2013"

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha