Fa ho anao - Ikalamako
Fa ho anao,
Ny aingan’ny fanahiko
Miangaly ho tononkalo
Ny foko safononoka
Totofanao fitiavana,
Na misafotofoto
Manahy anao ho lasana.
Fa ho anao,
Ny sosan’eritreritro
Mitady ho tononkira
Hifamihinantsika
Maraina vao mifoha,
Ka mandra-pirariana
Torimaso soa.
Fa ho anao,
Ny dian’ito peniko
Mandrafitra ho andalana
Ny voly any anatiko
Miredaka fitia,
Ilay fonao hany sampiko
Mamefy ahy tsy hania.
26 oktobra 2015
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ikalamako
Nampiditra : ikalamakoDaty : 13/05/2016
Mpamangy : 1311
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
Vokoka ny vakoka.Raha hita rano ianao, ekeko.
Ce morceau-là
Mbola ito
Misy andro
Fitiavan-dreny
Saingy
Isaorako ny fiainana.
Rohin'ny tsiahy.
Nirindrina any izay.