Fitiavan-dreny (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahampitso maizim-bolana, hoy i neny taminao
Hanainga antsokosoko isika, haka sambo ka handao
Ity tany feno ady, ravaravan'ireo baomba
Handositra any lavitra any, hanovo fiainam-baovao.

Onja be, haizim-pito, sy ny sisa, nosedraina
Hafanana mahavalalanina mila hahafaka aina
Ilay vary iray fonosana natao vatsy efa lany
F'ilay faravodilanitra toa tsy tazana ihany

Andro firy izay no lasa, sa vao omaly no niainga ?
Kely sisa dia ho tonga, hoy i neny toa mandainga
Fa ny ranomasonao toa ritra, ny molotrao nihanangina
Dia naronjonao tan-tratrany ny lohanao makiana

Dia nitsangana i neny, niova toera-nilasiana
Tsy nalàny teny an-tratrany ilay vata-mangatsiaka
Ny nijery mbola nihevitra fa torimason-jaza
Fa raha hain'ny tompon-tsambo, omeny trondro ianao ho haza

Fa nihantsona ny sambo, tody ihany tan-tseranana
Dia natolotry i neny ireo mpitsena ilay zanany
Efa simban'ny hain'andro sy ny rivotra sy orana
Ka dia vata fotsy sisa no handriany am-piadanana.



2 aogositra 2018
(mpitsoa-ponenana avy any Afrika miatrika ny ranomasimbe)
--------
Rohy:
1067 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102