Misaotra foana. (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misokatra ny maso
Mijery ny efitrano,
Dia misaotra ny Avo
Nomeny tombon'andro.

Miketrika tsy miera
Ny adidy maha-reny,
Misaotra tamin'ny hery
Azo ombieny ombieny.

Mihenjy sy miria
Miaraka amin'ny tiana,
Misaotra tamin'ny fy
Sy ny tombom-pifaliana.

Raha zary mivembena
Tojo zava-mahonena,
Saotra am-panetren-tena
Mana-namana harena.

Ny kibo ampy vatsy,
Hetaheta ampo-drano,
Misaotra, eny mantsy,
Tsy diso anjara androany.

Ny ondana isaintsainana,
Ny nofy ho tra-maraina,
Atao am-pelatanaNy
Fa Azy irery ny aina.



21 aogotsitra 2012
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1845 1
Mpakafy: fahamarinana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144