Misy andro (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy andro,
valalanina ny saina,
zary reraka
toa, intsony, satry tsy hiaina.
Misy andro,
hafaliana tsy hay lanjaina,
no iny ody
nampilefy ilay konaina.

Misy andro,
toa ity rotika ny zahatra,
ny tena hana,
tsy hita aiza no hamahatra.
Misy andro,
tena hery tsy omby tratra
no manainga
fo sy saina mba hitraka.

Misy andro,
zary mampalaina ilay mitia,
izay atao
toa, indrisy, mankarary tiana.
Misy andro,
ilay fitia dia mamy erý,
safononoky
ny tamby tsy hay laniana.

Isan’andro,
izay mitranga ihafio na ifalio,
fa ireny
no manefy io maha-ianao io.



13/04/2013
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
975 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106