Raha hita rano ianao, ekeko. (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tarangano tsotra zao izay maningotra any anaty,
Dia kantsano avy hatrany ilay tady fato-maty.

Aza fohazina amin’ny embona ireo mamy nianohana,
Avelao ho ahy ireny ho ataoko fiononana.

Andoroy fatibolo ny tamintsika mihelohelo,
Roahy tsy misy indrafo, aza atao mampalahelo.

Miboboha fanadinoina raha miselona tsy nahy
Anoloan’ny tavanao ny endriko sy ny tsiahy

Hafatrafatro ihany izany raha, an-tsaha filibàna,
Sendra lavo indray ianao, ka hanova ny fitàna.

Aza asiana hoe “satria”. Ny fitserana aleo ho any,
Fa ny antony dia tsotra, ny antsika mety lany mamy.

Mety ho tsy ampy anao intsony ny fitiavana ho omeko
Ka raha hita rano ianao, tsy maninona, ekeko.



23 septambra 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1042 4
Hevitra mandeha
Anarim ( 10/02/2020 15:48)
Draisy... fitiavana bé tsy misy toa izany.... Toa sarotra amiko an...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105