You are here: home > Vetso

FETIN’NY TSIAHY - ilery

Azo vakiana?

Maro ny fety, saingy fetin’ny daholobe
Fa ny andro anio kosa, dia fety mamy be;
Tsy fety eran-tany, malaza etsy sy eroa
Fa fetinao ihany, ka miavaka tokoa.

  Nitety zaridaina aho, mba hioty voninkazo
  Saingy ireny ve haharitra? Tsy ho ela dia halazo;
  Ka indro fanomezana, tsaratsara noho izay:
  Fehezan-tononkalo, mitory fetin’ny tsiahy.

    Koa arahaba feno tsiky no atolotro anao
    Ravahin’ny teny mamy fibitsiko aminao;
    Tsiky tsy mba mifono fonosan-kadao
    Fa tsiky mitory fa namako ianao.

  Na izany aza anefa dia mba misy fahatsiarovana
  Ho banjininao rehefa iny injay fa torovana;
  Kely sy bitika fa milaza zava-dalina,
  Hitondra anao hitety ireo nofin’ny alina!

Sokajy : Fety, Fifaliana, Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha