FETIN’NY TSIAHY - ilery
Azo vakiana?
Maro ny fety, saingy fetin’ny daholobe
Fa ny andro anio kosa, dia fety mamy be;
Tsy fety eran-tany, malaza etsy sy eroa
Fa fetinao ihany, ka miavaka tokoa.
Nitety zaridaina aho, mba hioty voninkazo
Saingy ireny ve haharitra? Tsy ho ela dia halazo;
Ka indro fanomezana, tsaratsara noho izay:
Fehezan-tononkalo, mitory fetin’ny tsiahy.
Koa arahaba feno tsiky no atolotro anao
Ravahin’ny teny mamy fibitsiko aminao;
Tsiky tsy mba mifono fonosan-kadao
Fa tsiky mitory fa namako ianao.
Na izany aza anefa dia mba misy fahatsiarovana
Ho banjininao rehefa iny injay fa torovana;
Kely sy bitika fa milaza zava-dalina,
Hitondra anao hitety ireo nofin’ny alina!
Mombamomba
Mpanoratra : ilery
Nampiditra : ilery7Daty : 01/07/2009
Mpamangy : 532
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FA MANINONAFETIN NY TSIAHY
FITIA DONAM-BARATRA
ILAY RAOZY ANY HO ANY
TOVOVAVIN'IARIVO
ANJARA
MALAHELO AZY
FITIA NOFINOFY
NY TSIKINAO
SILAKA FANAHY