AMPITAHAO FA MISY.... - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Misy tontolo azo sokajiana roa
Kanefa misy koa ny tsara ho fantatrao aloha
Ekeko misy fatrany, ‘zay…heveriko ho sahabo
Saingy moa ve izany…. Ampy, Ilazanao, f’izy Babo ?
Misy tena misy voninkazo Niangaliana
Misy tamin’ ireny vita sikotry ny Tiana
Mibaribary an-tsary nefa “Kary” tsotr’ izao
Tsy hanànany akory izany fo Mitempo ho anao
Misy teboteboka… fa mba fenoy ny banga
Izy tovolahy, Hianao koa zavavy manja
Mpambabo fo mahay, no zary lasa avo leta
Fa tsy hananan’ izy ireny, ny fo hanananay Poeta
ILIMIM JIVISDI
Sokajy :
Aingam-panahy, Hevitra Saro-takarina
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 18/01/2016
Mpamangy : 1043
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY