You are here: home > Vetso

AVERIKO AMINAO - ILIMIM JIVISDI

Azo vakiana?

        Averiko aminao, izay anao rehetra
        Fitiavana miserana, fitia misy fetra
        Fitia adaladala, namandrika ny heriko
        Fitia tsy misy sandany, indro fa averiko

   Fitia tsy ahy, fa nindramiko ihany
   Saingy ny toloko, seranan’ny tomany
   Indro fa averiko, averiko aminao
   Fitia adaladala, fitia ankilabao

        Fitia adaladala, fitiavana miserana
        Fitiavana farofy, minia mibahan-toerana
        Raozy ka baliaka, nanjary niova loko
        Averiko aminao, ilay fitia antsokosoko

Averiko aminao, fitia tsy anjara
Tsy mba manankery, tsy mendrika ho tantara
Fitiavana maditra, sarotra Alaina
Fitia adaladala, sahaza ho gadraina


IlimiM JivisDI

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha