EO IMASONAO (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eo imasonao mibanjina ny tavako
No misy tsela-baratra manaitra ny fitiavako
Eo imasonao no sisa manambara
Ireo herim-pitosiako, safidy sy anjara
Eo imasonao no tazako miposaka
Ilay andon' ny marainako saikatra itosaka
Eo imasonao no hany ivantanako
Hiventso ora iray ho diavolam-penimanako
Dia ny molotrao no hanampy izay tsy ampy
Ny saina sy ny fo no aoka hifanampy
Hibitsika eo isofiko ambabo ny fanahy
hoe : "Ianao iray manontolo, no manaiky ho ahy"
Dia raha azoko atao , iry volana takariko
Raha mahasoa anao, dia tena angalariko
Angamba tsy ho tsiniko raha toa mitalaho
Fa tsindrona mandratra ny EO IMASONAO.

ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 09/12/2019 09:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141