IANAO NO TIAKO (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ino-kidona, na ino-kiatra
Tsy hataoko hahakivy tsy hataoko handratra
Ny ato am-poko malalaka, afaka hitia
Saingy efa ianao no ekeko ho doria
Vonona aho handresy ny fakam-panahy
Arahiko toky tsy misy ahiahy
Ianao no efa tiako, safidin’ny foko
Ka tsy ariako fa ho kolokoloiko
Izaho bandy kely fa mahavita azy
Vonona hiatrika ny mariazy
Raha toa tsy maha toky, fa hifampitsara
Dia ho porofoiko eny ambony alitara
Ny ahy ny fitiavako dia toy izany
Tsy misy fitaka, tsisy anihany
Afoiko ho anao, ilay raozy eny an-tsaha
Ho tiako foana ianao, fa aza manahy

Ilimim Jivisdi
--------
Rohy:
841 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/08/2019 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014