You are here: home > Vetso

Ianao… - ILIMIM JIVISDI

Azo vakiana?

Ianao ilay fanafody manafaka ny fery
Ianao ilay hafaliako, ianao samirery
Ianao ilay dalià mibaliaka vao maraina
Ianao ilay raozy fotsy mampierika ny saina

Ianao ilay hirahira ventesiko mazàna
Ianao ilay tositosy mitondra hafanàna
Ianao ilay kolokolo fangadiko mangiana
Mikalo diavolana halohan’ny hatoriana

Ianao ilay diamondra karazam-bokovoko
Sombim-bolamena manakona ny foko
Ianao ilay tsy ferana doroana fa tsy may
Ianao ilay olon-tiako, sakaizako hatrizay

IlimimJivisdi

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha