IZA MOA? - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Tsy laviko fa any
Misy hafa noho izaho
Tena miadi-tsaina
Satria tia anao
Torovana ny ainy
Misaina anao mangiana
Ny varavaram-pony
Maniry ho olon-tiana
Samy tia ‘zahay
Tsy laviko satria
Na izaho na izy
Dia samy tena tia
Anao ny teny farany
Ho an’iza moa ianao?
Izy tsy mahafoy
Izaho koa tsy andao!
Ka ianao no misafidy
Mijery izay atao
Izaho ve sa izy
Ny ho malalanao ???
♠limim J♠V♠sd♠
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 17/03/2016
Mpamangy : 1297
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY